4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Soa fa teo - AMIT(Asa Mamokatra Ifanasoavan'ny Tanora)

Raha tsy teo ianao Jeso,

Mba nisy ho ahy ve?

Izao tontolo izao,

sy ny masoandrom-piainako.

Raha tsy teo ianao Jeso,

Tsy nisy azoko natao,

Foana avokoa, izay rehetra kinasako.



   Ref.: Soa fa teo, ianao Jeso

           Ilay namonjy sy nanavotra ahy

           Izao rehetra hita izao,

           Tsy misy hasoloko anao

           (Ref .: 2 fois)



Soa fa teo ianao Jeso,

Ilay Tompo Nampisy,

Izao tontolo izao,

Ho mpisolo heloka,

Soa fa teo ianao Jeso,

Nanolotra ny ainao ho ahy

Ho avotra hanadio,

Anay Mpanomponao.



                         Tonony sy ny feony : Neneh!

Partager soa fa teo

Commenter soa fa teo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMIT(Asa Mamokatra Ifanasoavan'ny Tanora)